Accueil > Documentations scientifiques > Revues archivées > Omaly sy Anio > Omaly sy Anio (Hier et Aujourd’hui) : revue d’études historiques, volume (...) > Témoignage de Gisèle Rabesahala, Présidente du Fifanampiana Malagasy (Comité (...)


  • Témoignage de Gisèle Rabesahala, Présidente du Fifanampiana Malagasy (Comité de Solidarité de Madagascar)
    Omaly sy Anio (Hier et Aujourd’hui) : revue d’études historiques, volume 41-44, 1995-1996, pp. 15-21

    Auteur : Rabesahala G.

    Mots clés : COLONISATION FRANCAISE/NATIONALISME/REVOLTES/1947/COMITE DE SOLIDARITE DE MADAGASCAR/MILITANTISME/1950-1957

    [ MLA ] Ity tenin’ny mpitantsoratry ny mpisolo vava mpiaro ireo solombavambahoaka sy ireo tompon’andraikitra ambony tao amin’ny MDRM ity, izay lasa sekretera jeneralin’ny Komitin’ny Firaisan-kinan’i Madagasikara tamin’ny 1950, dia manantitrantitra ny amin’ny fisian’ny tsy fahamarinana maro tamin’ny fitsarana ireo tia tanindrazana malagasy nosamborina taorian’ny tolom-panafahana 1947. Betsaka tamin’ireo voaheloka ho faty no novonoina, ary ireo voafonja indray dia niharan’ny sazy henjana sy tsy fahazoana monina amin’ny faritra sasany nandritra ny fitsarana izay naharitra 5 taona taorian’iny raharaha iny. Izany rehetra izany dia mampibaribary fa ny Fitsarana dia miandany tanteraka amin’ny fitondrana.
    Ny fitondrana moa dia nampihatra sazy faran’izay henjana mba tsy hitakian’ny Malagasy intsony ny fahaleovantena. Nefa tsy niraviravy tànana akory izy ireo. Tamin’ny alalan’ny Komitin’ny Firaisan-kinan’i Madagasikara no niatrehany ny ady, nabaribariny ny famaizana feno habibiana nataon’ny mpanjanatany, notohizany ny tolona ho amin’ny fahaleovantena, notakiany ny hamotsorana ireo voaheloka, ary izany rehetra izany dia tao anatin’ny firaisan-kinan’ny Malagasy tsivakivoly. Nahomby izany satria tamin’ny taona 1957, dia novotsoran’ny governemanta frantsay ireo Malagasy rehetra voafonja noho ny raharahan’ny 1947.

    Télécharger

© MESupReS 2009 - 2024. Mentions légales
(p) Secrétariat Général | Direction des Technologies de l'Information et de la Communication (DTIC)
Contact: dtic@mesupres.gov.mg - Tous droits réservés