Accueil > Documentations scientifiques > Revues récentes > TALOHA > TALOHA 10 , 1986 > NOTE SUR LA FOUILLE D’UNE TOMBE DECOUVERTE A ILAFY


  • NOTE SUR LA FOUILLE D’UNE TOMBE DECOUVERTE A ILAFY
    Revue du Musée d’art et d’archéologie

    auteur : Solo RAKOTOVOLOLONA



    [MGA] Ny Ministeran’ny Zavakanto sy ny Trano Fitahirizanany Vako-pirenena no niara-nanantontosa ny fikarohana teny an·toerona izay 10 km avy eo Antananarivo. Tsy fantatra ny anaran ’ny olona milevina ao amin’ilay fasana, fa araka ny fandinihana ny toerana misy azy, ivelany sady andrefan’ny tanana dia mety ho olona ambany razana na diso teo amin’ny fiaroha·monina izy io .Tsy fantatra avy hatrany avy ety ambony ilay fasana, fa ambany tany ka uato boribory mirefy 1.20 m ny tavany no rangolohy manarona azy. Miendrika zodafy mahitsy zoro ny lavaka ka eoamin’ny 1.10 m ny halaliny. Mitodika andrefana miantsinanana ny razana. Tsy teo intsony ny taolana sasany toy ny karan-doha, fa araka ny fandinihana ireo sisa tavela indrindra ny nify sy ny taolam·pe, dia tokony ho 20 taona io olona io no maty,ary mirefy 1.60 m tany izy, Araka ny fombon ’ny olana taloha dia nisy fitaovana vitsy niara-nilevina taminy : angady tsy fiasana tany akory fa fiavanafotsiny. zava-maranitra kely roa toa ody niambozonona, ary sifotra tsy hay hazavaina, Mbola nisy koa potipotika fitaovana samihafa nampiasaina tomin ’ny fiainana andavanandro nefa mifangoro be ihany ka tsy ohafohana mametra marina ny fotoana nanorenana ity fasana ity.

    Télécharger

© MESupReS 2009 - 2024. Mentions légales
(p) Secrétariat Général | Direction des Technologies de l'Information et de la Communication (DTIC)
Contact: dtic@mesupres.gov.mg - Tous droits réservés