Accueil > Documentations scientifiques > Revues archivées > Omaly sy Anio > Archives > Omaly sy Anio (Hier et Aujourd’hui) : revue d’études historiques, volume 1-2, (...) > Les Sadiavahe : essai d’interprétation d’une révolte dans le Sud de Madagascar (...)


  • Les Sadiavahe : essai d’interprétation d’une révolte dans le Sud de Madagascar (1915-1917)
    Omaly sy Anio (Hier et Aujourd’hui) : revue d’études historiques, volume 1-2, janvier - décembre 1975, pp. 139-171

    Auteur : Esoavelomandroso F.V.

    Mots clés : COLONISATION FRANCAISE/NATIONALISME/ANTANDROY/REVOLTES/SADIAVAHE/HISTOIRE/1915-1917/MADAGASCAR/TOLIARA/ATSIMO ANDREFANA/AMPANIHY/ANDROY/TSIHOMBE

    [ MLA ] Sadiavahe no anarana nomena ireo izay nandray anjara tamin’ilay fihetsiketsehana nipoaka, teo amin’ny voalohandohan’ny taona 1915, tany Ampotaka ary nitatra nanenika ny distrikan’Ampanihy sy Tsihombe – indrindra fa ny faritra manamorona ny Menarandra amin’ny lafiny atsimo. Fanafihana tanàna sy halatra omby no endrika nisehoan’ny korontana. Sahirankirana ihany ny Frantsay satria mivezivezy amin’ny toerana efa mahazatra azy ireo sadiavahe, tany karankaina ary matetika voarakotry ny ala. Manana fiadiana koa ireo mpikomy no sady misy tànana miray tsikombakomba aminy. Tamin’ny taona 1917 vao nanomboka niverina ny filaminana.
    Araka ny filazan-dry zareo mpanjanan-tany dia tsy nifono hevi-dalina io fihetsiketsehana io fa fanehoana fitiavana halatra omby sy korontana rano fotsiny, araka ny fomba mahazatra any amin’ny faritra atsimo – indrindra moa fa be mpigadra nandositra amin’ireo mpitarika ny raharaha.
    Raha fakafakaina kokoa anefa ity fihetsehana ity, dia heverinay fa nisy zavatra nokendren’ireo sadiavahe fa tsy nipoapoaka fahatany io korontana io. Nandalo fotoan-tsarotra iny faritra atsimo-andrefana iny nandritra ny ady lehibe voalohany. Tsy fisiana no nianjady tamin’ireo mponina izay mazana tandindomin’ny fahantrana, mponina voatery mandoa hetra isan-karazany ary mandoa tokoa na dia sarotra aza ny fiainana – ny mpanjanan-tany ihany no milaza izany. Matoa nisy ireo tanàna maromaro nanampy antsokosoko na am-pahibemaso ny sadiavahe dia satria koa izy ireo nahatsapa ny maha-henjana ny fitondrana ary nankasitraka ireo namany nandositra io fitondrana io amin’ny fivezivezena – ka sarotra ho an’ny mpitondra fanjakana ny miambina azy – amin’ny halatra omby – izay efa voarara nefa nentin’ny sadiavahe hanehoana ny tsy hafaliana – ary amin’ny fanoherana ara-batana. Mpikomy ny sadiavahe, mpikomy toy ny mpikambana V.V.S., saingy samy hafa ny fisehoan’ny fikomiana, satria misy faha-samihafany ny nahatsapan’ny teto ampovoan-tany sy tany amin’ny faritra atsimo iny ny fanjanahan-tany

    [ EN ] At the beginning of 1915, a movement burst out at Ampotaka, which rapidly spread to the districts of Ampanihy and Tsihombe, especially on the south bank of the Menarandra. Raids on villages and cattle robbery, such were the offences committed by the Sadiavahes who then took advantages of a number of favourable conditions : they had a perfect knowledge and practice of a waterless region covered with thorny bushes, possessed weapons and acted in collusion with certain villages. Peace only came back progressively from 1917 on wards.
    When they analyze this movement, the French authorities refer to a marked propensity of the population of the south for anarchy and plundering. They do not ascribe the Sadiavahe any political motive. In fact, this movement which was finally joined by several villages burst out within a background of destitution, due to the enormous economical difficulties created by the first world war in an already poor region. In spite of these difficulties, taxes were easily collected, which probably results from administrative pressure. The Sadiavahe were not mere scoundrels but true rebels rising against colonial oppression and showing their discontent in their shunning of authorities and taxes, in cattle robbery, forbidden by the administration, in open rebellion as outlaws. This movement proceeded from the same causes as other rebellions which stirred the South and were the symptoms of administrative weaknesses in this part of the island.

    Télécharger

© MESupReS 2009 - 2024. Mentions légales
(p) Secrétariat Général | Direction des Technologies de l'Information et de la Communication (DTIC)
Contact: dtic@mesupres.gov.mg - Tous droits réservés