Accueil > Documentations scientifiques > Revues archivées > Omaly sy Anio > Archives > Omaly sy Anio (Hier et Aujourd’hui) : revue d’études historiques, volume 1-2, (...) > Les Mésaventures d’un colon du dimanche


  • Les Mésaventures d’un colon du dimanche
    Omaly sy Anio (Hier et Aujourd’hui) : revue d’études historiques, volume 1-2, janvier - décembre 1975, pp. 229-249

    Auteur : Paillard Y.-G.

    Mots clés : COLONISATION FRANCAISE/COLONIES AGRICOLES/PROPRIETE FONCIERE/RELATIONS INTERGROUPES/COLONS FRANCAIS/MALGACHES/CONFLITS SOCIAUX/HISTOIRE/1900-1914/MADAGASCAR/ANTANANARIVO/ANALAMANGA/AMBOHIDRATRIMO/AMPANGABE

    [ MLA ] Ity lahatsoratra ity dia mitantara ny sasantsasany tamin’ireo toe-javatra niseho, 75 taona lasa eo ho eo izay, raha nisy fifandonana nitranga tamina-voanjo frantsay nipetraka tao Ampangabe, Andrefan’Antananarivo, sy ny mponina amin’ny tanàna manodidina ny taniny (concession) ary indrindra fa ny Governora madinika tamin’iny faritra iny.
    Tamin’ny faran’ny taon-jato faha-19 no nanori-ponenana tao ilay voanjo atao hoe Ch. Couesnon. Nahazo tany midadasika izy mba ampiasainy ; fony namaritana io tany io dia tsy maintsy nisy tanimbary sy tanety firaofan’ny omby nesorina tamin’ireo mponina malagasy. Teo am-piandohana dia velom-panantenana amin’ny hoavy ilay voanjo, satria moa nanana mpiaro teo amin’ny fitondrana, koa dia nanao fanandramana maro izy nikasika ny fambolena – na dia nisy aza fifandonana tamin’ny tantsaha manodidina indraindray.
    Tsy ela akory anefa dia maro ny fahasahiranana nianjady, mandositra ny mpiasa tany ary tsy manampy azy ny mpitondra, fony lasa Governora Jeneraly i Augagneur. Koa dia nifindra teto Antananarivo izy ary niditra mpiasam-panjakana saingy notanany ihany ny concession izay tsy alehany raha tsy mahalana. Niseho matetika kokoa ny fifandonana ary nifanandrina mafy dia mafy aza indraindray i Couesnon sy Rainimanantsalama izay sady Governora madinika no mpifaninana aminy eo amin’ny lafiny fiompiana saovaly, ary nanaraotra fatratra ny fiarovana azo avy amin’ny fanjakana.
    Nony lasa i Augagneur dia nampian’ny mpitondra indray ilay voanjo. Niroborobo indray ny concession-ny. Ary na dia nisy aza teny ho eny fifandomana madinidinika niseho, dia voatery nanaiky azy ho mponina ireo tantsaha manodidina.

    [ EN ] This is a narrative of some moments of a conflict which opposed, about three quarters of a century ago, a French colonist in Ampangabe, west of Tananarive, to the village’s population near by his concession and more strikely to the madinika governor (of a lower rank).
    The said colonist, Ch. Couesnon, set up on the eve of the XXth century. He had the use of a great exploitation, probably including ancient rice and pasture lands, dispossessed from the “natives”. Thank to the support of the administration, he took confidence in the future and tried numerous agricultural experiences – not-with-standing some incidents with the neighbouring peasants.
    Yet his enterprise readily faced with serious difficulties, the laboures ran away from him, and he lost the official support under Governor general Augagneur’s rule. He came to stay in Tananarive as a civil officer, but still helded his concession, where he went no more but at times. Incidents then grew numerous, and Couesnon came into struggle, sometimes violently, with governor-madinika Rainimanantsalama, which latter competed with him in horses breading matter – supported from that time by the official benevolence.
    As Augagneur left, the authorities supported again the colonist. Business grew prosperous on. And in spite of new strokes, neigbouring villagers had to stand his presence.

    Télécharger

© MESupReS 2009 - 2024. Mentions légales
(p) Secrétariat Général | Direction des Technologies de l'Information et de la Communication (DTIC)
Contact: dtic@mesupres.gov.mg - Tous droits réservés