Accueil > Documentations scientifiques > Revues archivées > Omaly sy Anio > Omaly sy Anio (Hier et Aujourd’hui) : revue d’études historiques, volume (...) > Les Evénements de 1947 dans le Fisakana


  • Les Evénements de 1947 dans le Fisakana
    Omaly sy Anio (Hier et Aujourd’hui) : revue d’études historiques, volume 41-44, 1995-1996, pp. 151-165

    Auteur : Rakotovao R.

    Mots clés : COLONISATION FRANCAISE/NATIONALISME/REVOLTES/1947/MADAGASCAR/FIANARANTSOA/AMORON’I MANIA/FISAKANA

    [ MLA ] Faritra nisehoan’ny ady mangotraka tokoa nifanandrinan’ny tafika mpanjanatany sy ny tia tanindrazana malagasy nantsoina hoe Belefona i Fisakana. Tsy maty vonoina ao an-tsain’ny mponina any iny raharaha iny. Nandray anjara feno tamin’iny fihetsiketsehana iny tokoa ny mponin’i Fisakana, na dia tsy mba nahazo tombotsoa na laza amam-boninahitra tahaka ireo mponin’i Moramanga sy ny faritra atsimo atsinanan’i Madagasikara aza izy ireo. Ny fijoroan’ireo vato nasondrotry ny tany dia nanampy betsaka tamin’ny fanentanana ny olona ho amin’ny fitiavan-tanindrazana, ary koa nanamora ny fananganana ireo sampan MDRM. Ny renivohitry ny kantao tsirairay dia samy nanana sampan avy. Ny fanentanana nataon’i Pelimaitso no nahatonga ny fifandonana tamin’ny tafiky ny mpanjanatany. Teraky ny Zafimaniry izy, ary nomena andraikitra hitarika ny miaramila Belefona tao amin’ny faritra Fisakana. Ny teti-panorona mahomby nampiasainy teo amin’ny ady, dia nahazoany nanangona miaramila betsaka tao amin’ny faritra atsimon’i Fisakana. Tonga nanatevin-daharana azy ireo mpikambana MDRM rehefa tsy namokatra ny 29 mars. Nahazo hery tamin’izany fanohanan’ny Belefona azy izany i Pelimaitso ka nandeha nanafika nanomboka teo Mahazoarivo ka hatrany Fiadanana ny volana mey sy jona. Voatery nilavo lefona anefa ry zareo tao Vohimena (tanàna kely varavarana fidirana mankao Fandriana) noho ny tsy fitoviana teo amin’ny fitaovam-piadiana nampiasaina. Voasambotra i Pelimaitso, notapahina ny lohany, ary nahantona ho hitan’ny olona tao an-tsenan’i Fandriana. Marina fat any amin’ny faritra atsimon’i Fisakana no nandraisana miaramila Belefona kokoa noho ny tany amin’ny faritra avaratra, ary tantsaha ny ankamaroany, kanefa ny mponina rehetra tany ambanivohitra dia niray fo amam-panahy, nanaiky ny maha-marim-pototra izao tolona izao. Tokony ho fantatry ny firenena manontolo izany fandraisana anjaran’ny mponin’i Fisakana izany noho ireo Belefona maro lavo teo an-tany fiadiana.

    Télécharger

© MESupReS 2009 - 2024. Mentions légales
(p) Secrétariat Général | Direction des Technologies de l'Information et de la Communication (DTIC)
Contact: dtic@mesupres.gov.mg - Tous droits réservés