Accueil > Documentations scientifiques > Revues archivées > Omaly sy Anio > Omaly sy Anio (Hier et Aujourd’hui) : revue d’études historiques, volume (...) > Le Soulèvement populaire de 1947-1948 d’après les sources orales : le cas du (...)


  • Le Soulèvement populaire de 1947-1948 d’après les sources orales : le cas du district de Maroantsetra
    Omaly sy Anio (Hier et Aujourd’hui) : revue d’études historiques, volume 41-44, 1995-1996, pp. 113-120

    Auteur : Morel K.

    Mots clés : COLONISATION FRANCAISE/NATIONALISME/REVOLTES/1947-1948/MADAGASCAR/TOAMASINA/ANALANJIROFO/MAROANTSETRA

    [ MLA ] Ny resaka nifanaovana tamin’olona maro, ary nijoroan’izy ireo ho vavolombelona dia mampiseho fa mihevitra ny hihetsika ihany koa iny faritra Maroantsetra iny. Tsy tanteraka anefa satria fantatry ny fanjakana talohan’ny daty voatondro izany. Ary dia nihatra tamin’ny ankamaroan’ireo mpikambana tao amin’ny MDRM ny famaizan’ny mpanjanatany. Ny tena nahatonga ny fanohanan’ny olona ny fanoherana ny fitondram-panjanatany, dia teo aloha ny fandraisany anjara tamin’ny « ezaka ho an’ny ady » nandritra ny Ady Lehibe faharoa, indrindra tamin’ny famatsiana fingotra izay mazana tokoa ny fiotazana azy. Teo koa ny tsy fisian’ny entana avy any ivelany sy ny vokatra avy eto an-toerana nilaina teo amin’ny fiainana andavanandro, teo koa ny fitontongan’ny vidin’ireo akora fanondrana. Tsy mahagaga raha nankamamin’ny olona ny MDRM izay nampanantena ny fahaleovantena, ary niady tamin’ny varo-maizina tamin’ny alalan’ny fananganana kaoperativan’ny varotra tamin’iny faritra iny. Misy tompon-tany avy amin’iny faritra iny, ary nisy koa Merina ireo mpikambana. Nefa maty an-karanany ny fanomanana ny fihetsehana saika hatao ny 25 mars. Ny 29 mars mantsy dia nanomboka ny fisamborana ireo mpitarika sy mpikambana tao amin’ny MDRM, ary koa ireo solombavambahoaka maro toa an’i Jacques Rabemananjara izay tera-tany avy ao Maroantsetra. Dia nanaraka ny vono sy ny tsy fitandroana ny maha-olona intsony tany amin’ny fonjan’i Toamasina sy Moramanga. Ary na dia efa novotsorana aza izy ireo, dia mbola olona mampiahiahy ihany ho an’ny fanjakana ireny gadra afaka ireny, ka niharan’izao famaizana miendrika valifaty rehetra izao. Farany, ny famaizana noho iny fihetsiketsehana iny dia nampisaraka tanteraka ireo mpikambana tranainy tao amin’ny MDRM sy ny tao amin’ny PADESM, ary izany dia mbola mitohy mandrake ankehitriny amin’ireo taranany.

    Télécharger

© MESupReS 2009 - 2024. Mentions légales
(p) Secrétariat Général | Direction des Technologies de l'Information et de la Communication (DTIC)
Contact: dtic@mesupres.gov.mg - Tous droits réservés