Accueil > Documentations scientifiques > Revues récentes > TALOHA > TALOHA 10 , 1986 > LES PROBLEMES DE L’HISTOIRE PRECOLONIALE EN PAYS BETSILEO : SOURCES ET (...)


  • LES PROBLEMES DE L’HISTOIRE PRECOLONIALE EN PAYS BETSILEO : SOURCES ET METHODOLOGIE
    Revue du Musée d’art et d’archéologie

    auteur : Daniel RAHERISOANJATO



    [MGA] Ny olana voalohany dià ny tsy fisian’ny tahiry voarakitra an-tsoratra,
    raha tsy taty amin’ny taim-jato faha-17, fa indrindra ny faha-19. Olona vahiny
    anefa, mpizaha tany sy misionera nonanoratra azy ireny ka saika ny zavatra
    ivelany ihany no tena nojereny. Nisy Malagasy vitsy nanoratra taty aoriana,
    saingy fitantarana fotsiny, mitaky fandalinana koa ny fahazoana azy no
    nataony. Ary mifanampy amin’ireo ny tantaran-drazan’ny fianakaviana na foko \.
    sasantsasany.Momba ny lovantsofina kosa, ny manahiranadia ny eo amin’ny olona
    miteny,ny mamantatra ny lovantsofina ilaina ary ny fahamarinan’izany. Ny
    ray aman·drenin’ny foko, ny raim-pianakaviana ary ny mpikabaryno mpi-
    tantara. Ary misy dimy ny karazana lovantsofina azo raisina : ny tantaran-
    drazana amin’nv fotoan-dehibe isan-karazany, ny anganombaviantitra hoan’ny
    ankizy, ny ohatsa naohabolana maneho ny hakanton’ny teny malagasv sv
    nv fahaizana mampiasa izany, ny kabary amin’ny fivoriam-be " lanonana "
    samihafa, ary ny rija sv ny isa mihira ny fiaraha-monina andavanandro.
    Ny lesoka amin’ireo anefa dia olombelona no mitantara, ka mety hitranga
    ny fanitarana sv ny fanovana ny tena Izy, na koa nv fahaverezany mihitsy
    noho ny fahafatesan’ilay tompon’ny fahalalana. Ankoatra ny tahirv an-tsoratra sy ny lovantsofina, dia manampy nympikaroka tokoa, andaniny ny fanatrehana fomba amam-panao ( lanonana, fandevenana, saotsa), ary ankilanv manambara zavatra maro ireo rakitry ny ela tavela ankehitrinv, toy ny tanana tranainy antsoina hoe oalc..maty ., ny fason’nv hooa na cc tranomena ., ary farany nv vatolahy, tatao sy aloalofahatsiarovana.Afaka mamaha ny olana mitranga ao amin’ny tahiry an-tsoratra ny fanadihadiana am-bava ataon’ny mpikaroka, izay mandinika mivantana ny
    zava-misy iainan’ny olona eny an-toerana.

    Télécharger

© MESupReS 2009 - 2024. Mentions légales
(p) Secrétariat Général | Direction des Technologies de l'Information et de la Communication (DTIC)
Contact: dtic@mesupres.gov.mg - Tous droits réservés