Accueil > Documentations scientifiques > Revues archivées > Omaly sy Anio > Archives > Omaly sy Anio (Hier et Aujourd’hui) : revue d’études historiques, volume 1-2, (...) > Histoire ancienne et Océan Indien dans les perspectives malgaches


  • Histoire ancienne et Océan Indien dans les perspectives malgaches
    Omaly sy Anio (Hier et Aujourd’hui) : revue d’études historiques, volume 1-2, janvier - décembre 1975, pp. 211-226

    Auteur : Janvier Y.

    Mots clés : ENSEIGNEMENT DE L’HISTOIRE/HISTOIRE ANCIENNE/HISTORIOGRAPHIE/OCEAN INDIEN/PROGRAMME D’ENSEIGNEMENT/MADAGASCAR

    [ MLA ] Ilaina ny fampianarana ny « Histoire ancienne » na dia mihanina amin’ny tantaran’ny tany manamorona ny ranomasina Méditerrannée ihany aza araka ny fandraisan’ny Tandrefana azy. Nefa tsy maintsy arindra araka ny tany misy ny tena ny fandaharam-pianarana. Raha ny eto Madagasikara, dia tokony tsy hohadinoina ny toetoetry ny Protohistoire-ny tanintsika (izany hoe : ny tantaran’ny nosintsika talohan’ny taon-jato faha-16) : ohatra, ny fahatongavan’ny mponina avy amin’ny faritra manodidina ny Oseana Indiana, ny fotoana nihaviany…
    Mba hitaritana ny Malagasy hahalala bebe kokoa ny “Histoire ancienne” izay tsy maintsy misy ny tantaran’ireo tany teo ambany fahefan’ny Grika sy ny Romana, dia tokony hatao araka ireto làlana ireto ny fandinihana azy :
    1) ho tena tantaran’izao tontolo izao no atao hoe “Histoire ancienne” ka omena ny toerana mendrika azy ny Oseana Indiana sy i Azia atsinanana ;
    2) afantoka amin’ny foto-kevitra mahafaoka an’izao tontolo izao ny fikarohana sy ny fandinihana ; ohatra, ny tantaran’ny nahitan’ny olona sy ny nahafantarany izao tontolo izao, ka amin’izay, dia ho moramora kokoa ny mandinika izay rehetra mikasika ny fihavian’ny Malagasy ;
    3) abaribary ny fifandraisana nisy teo amin’ny tany mediteraneana sy Oseana Indiana ; izany dia ho vita raha ianarana tsara ny momba an’ireo tany maromaro antsoina amin’ny hoe Proche-Orient égypto-asiatique (Ejipta, Palestina, Arabia…)
    Ireo làlana ireo dia efa arahin’ny Sampana miandraikitra ny tantara (Département d’Histoire) ao amin’ny Oniversite. Anjaran’ny Oniversite ny manohana sy manamafy izany asa izany – ohatra amin’ny fisian’ny fikarohana sy fandalinana momba ny fiteny – mba hahamora ny fikarohana momba ny zava-nisy teto amin’ny Oseana Indiana.

    [ EN ] Even in the limits strictly mediterranean as one understands it in the West, teaching of ancient history has been justified all over the world ; although one must fit the programs of which to the different local audiences. In Madagascar, it is proper to take into account some special aspects of the island-protohistory for its peopling puts the focus on all around the Indian Ocean. But the first steps do not seem to date back to the beginning of our era.
    In order to interest Malagasy in the study of ancient history whose Greek and Roman part remains an important element, it would be more advisable to assign to it the three following aims :
    1) extension in an universal view that restores in their place the Indian Ocean and East Asia ;
    2) choice of universalist themes such as the History of Discovery and Knowledge of the World, to which it is easy to connect the problems referring to malagasy origins ;
    3) setting the focus on the links between “classical” and Indian Ocean antiquities, owing to preferential study of the Egypto-Asiatic Near-East.
    The department of History at the University of Madagascar has already adopted these aims ; the University must keep the former up by creation of new linguistic teaching necessary for future original researches on the past of the Indian Ocean.

    Télécharger

© MESupReS 2009 - 2024. Mentions légales
(p) Secrétariat Général | Direction des Technologies de l'Information et de la Communication (DTIC)
Contact: dtic@mesupres.gov.mg - Tous droits réservés