Accueil > Documentations scientifiques > Revues archivées > Omaly sy Anio > Omaly sy Anio (Hier et Aujourd’hui) : revue d’études historiques, volume (...) > Evénements de 1947 et construction nationale


  • Evénements de 1947 et construction nationale
    Omaly sy Anio (Hier et Aujourd’hui) : revue d’études historiques, volume 41-44, 1995-1996, pp. 93-112

    Auteur : Rabearimanana L.

    Mots clés : COLONISATION FRANCAISE/NATIONALISME/REVOLTES/1947/MADAGASCAR/ANTSIRANANA/SAVA/ANDAPA

    [ MLA ] Ny fanehoam-pitiavan-tanindrazana teo amin’ny Malagasy, izay nahahenika ny Nosy manontolo dia nahitana fandraisana anjaran’ny mponina rehetra, na inona na inona foko niaviany. Izany indrindra no tsapa tany Andapa tamin’ny raharahan’ny 1947. Niakatra tao amin’ny renivohitry ny distrika ireo tia tanindrazana ny 8 sy ny 9 avrily. Andapa, lemaka mahavokatra mety tsara ho an’ny voly fanondrana, dia ahitana ny Tsimihety tompon-tany, ny mpifindra monina merina, betsileo, antaimoro sy antandroy, ary etsy ankilany koa ireo mpila ravinahitra maro dia maro samy hafa fiaviana ary ts mitovy habetsahana. Tamin’ny 1945 dia niforona ireo komitim-pifidianana nampiely hevitra ny amin’ny hiverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara indray amin’ny fifidianana solombavambahoaka. Ny taona manaraka, nanorina sampana maro ny MDRM, ka ny mpikambana dia avy amin’ireo foko samihafa nonina tamin’iny faritra iny. Ary satria mbola velona tsara tany ny rafitry ny fiaraha-monina malagasy talohan’ny fanjanahantany, dia mbola nanana fahefana tokoa tamin’ny fianakaviany manontolo avy ny filohan’ny tarika. Dia tany amin’ny isam-poko izay nanao fivoriana manokana no nanomanana sy nandaminana ny fihetsiketsehan’ny volana avrily 1947 ; niaraha-nanaiky kosa ny maha-mpitarika ireo mpitolona merina izay vato nasondrotry ny tany. Izany fiombonan-tsaina, izany firaisan-kina teo amin’ny samy Malagasy izany dia nifanehatra tamin’ny famaizan’ny mpanjanatany notohanan’ny PADESM ; izy ireo dia nikatsaka ny hampiaiky fa ny MDRM sy ny Merina no fototry ny fiokoana. Koa nanomboka ny taona 1947, dia nampiharina tanteraka ny « politikan’ny foko »-n’i Gallieni, politika natao hampizarazara ny Malagasy ho Tanindrana sy Merina.

    Télécharger

© MESupReS 2009 - 2024. Mentions légales
(p) Secrétariat Général | Direction des Technologies de l'Information et de la Communication (DTIC)
Contact: dtic@mesupres.gov.mg - Tous droits réservés