Accueil > Documentations scientifiques > Revues récentes > TALOHA > TALOHA 10 , 1986 > CONTRIBUTION A LA CONNAISSANCE DE L’HISTOIRE DU SUD VONIZONGO


  • CONTRIBUTION A LA CONNAISSANCE DE L’HISTOIRE DU SUD VONIZONGO
    Revue du Musée d’art et d’archéologie

    auteur : Andrianaivoarivony RAFOLO



    [MGA] Ao avaratra andrefan’i Marovatana, eo anelanelan’Ikopa sy Betsibokano misy an’i Vonizongo. Azo zaraina roa io toko io. dia ny Vonizongo "tra-nainy " sy ny " vaovao" , ka ny tranainy dia ny faritra ihaonan ’ny Fivondro-nana Ambohidratrimo sy Ankazobe ankehitriny . Tamin’ny 1978 sy 1979 no nanaovana ny fikarohcina. Ambonin’ireo rakitry ny ela mbola hita eny an-toerana, dia nojerena ihany koa ireo tahiry voasoratra sy lovantsofina momba an’y Vonizongo tranainy hatrany amin’ny taon-jato faha-XV. Ny fahàtongavan’ny Merina avy aty atsinanana nanomboka teo antenantenan’ny taonjato faha-XVI ka hatramin ’ny andron’Andria-nampoinimerina no tena nampitombo betsaka ny mponina. Azo heverina amin’ny toeran ’ny tanàna sy ny toetrany fa tsy nanjaka ny fandriampahalemana tao Vonizongo talohan ’ny taonjato faha-XIX. Naorina teny antampon’ny vohitra mantsy ireny tanàna ireny, nohodidinina hadivory,ary nanamboarana vavahady manokana mba hanasarotana ny fidirana ao aminy. Asehon’ny faritra sy ny tanety mbola tavela fa ny fambolena sy ny fiompiana (omby) no foto-piveloman ’ny olona. Efa nisy koa anefa ny fifanakalo-zana entana tamin ’ny manodidinasy ny fampiasana fitaovana tanimanga, vita teo an-toerana na nafarana avy tany ampilan-dranomasina.,

    Télécharger

© MESupReS 2009 - 2024. Mentions légales
(p) Secrétariat Général | Direction des Technologies de l'Information et de la Communication (DTIC)
Contact: dtic@mesupres.gov.mg - Tous droits réservés